Contact

GEW 2021 : Digitalisation, vokatra entiny eo amin'ny orinasa majinika

GEW 2021 : Digitalisation, vokatra entiny eo amin'ny orinasa majinika
Gratuit
Qté

Ao anantin'ity ERINANDRO ERANTANY HOAN'NY FANDRAHARAHANA na ny GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK ity no horesahintsika ny hoe Digitalisation : vokatra entiny eo amin'ny orinasa majinika.




Tany amin’ny taona 1960 tany no nanomboka nisy fifaneraseraha ara-tsosialy sy fifandefasana hafatra eo amin’ny samy solosaina roa na maromaro. Teo no teraka ny atao hoe “internet”. Niha-nivelatra hatrany izany ka niditra amin’ny sehatra maro isan-karazany toy ny asa, fianarana, fialam-boly, sns.

 

Ny mahakasika ny solosaina indray dia nisy fanatsorana goavana ny teo amin’ny fampiasana azy.Ny orinasa Microsoft no isan’ireo voalohany nandray anjara tamin’izany.

Vokany, niha maro ny solosaina, hany ka niparitaka tamin’ny sehatra maro samihafa.

Amin’izao vanom-potoana iainantsika izao, sarotra ny miasa raha tsy misy ny solosaina. eny fa na ny asa fanadiovana azy dia efa mitaky fahaizana mampiasa ireny “badge” ireny mba ahafahana miditra ny sy mivoaka ao amin’ny toeram-piasana. Izany ihany koa dia ahafanaha manamarika amin’ny ora fahatongavana syn y fodiana.

 

Maro dia maro ny fomba azo atao ho entina hanatsarana, hampandehanana sy hampiroborobona ary hintantanana orinasa iray. Izany indrindra ny loha-hevitra ho resahintsika amin’ity “webinaire” ity ahafahana mizara sy manome ohatra azo tsapain-tanana ho an’ny ireo mpitondra na mpitarika orinasa.

Marihina fa ao anatin’ilay hetsika atao hoe GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK na ERINANDRO ERANTANY HOAN'NY FANDRAHARAHANA no anaovana ity hetsika ity.

 

Nanomboka tamin’ny 2007 ka mandrak’ankehitriny no anampitrisany ny hetsika vita manera-tany nentina ampirisihana ny fandraharana tao anatin’ny GEW. Fifampizara sy hifanakalozan-kevitra, fanolotra politika vaovao ary fampisehona firaisan-kina ny eo amin’ny samy mpandraharaha. Tsy latsa-danja amin’izany ny eto Madagasikara satria dia tamin’ny taona 2008 isika no nanomboka nandray.

Amin’ity taona ity dia maherin’ny 20 ny hetsika ho atao eto Madagasikara.

 

Ireto no mpandray anjara amin’ity hetsika ity :

  • M. Ando RANDRIANANTENAINA (Softeo)

  • M. Aimés Jules ANDRIANIRINA (Kasia)

  • Moderateur : M. Prospérin Tsialonina (Tsialonina consulting).

 

Ho azonao amin’ny alalan’ny mailaka ilay fidirana amin’ny zoom rehefa vita ilay fisoratana anarana.

Tél. 032 05 357 33

Date et heure
mardi

9 novembre 2021

11:00 12:00 Indian/Antananarivo
Lieu

Taralila Marketing

1er étage - Immeuble Jacaranda, Lalana Ranavalona III, Antananarivo
Antananarivo 101
Madagascar
0320535733
mail@taralila-marketing.com
Get the direction
Organisé par

Taralila Marketing

0320535733
mail@taralila-marketing.com
PARTAGER

Découvrez ce que les gens voient et disent à propos de cet événement et rejoignez la conversation.